VENTSOM-PITIAVANA (Tahina Fabien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noraisiko ny peniko,
Dia nisaina izay soratana;
Ny hoavitsika no fenitro,
Takariva amorom-patana.
.
Zany ka hoe fiainana,
Eo atratran'olotina,
Donak'afo ny afanana,
Kalokalo sy hirahira;
.
Tambitamby sy teny mamy,
No imbetika miverina;
Ireo fitiavatsika rehetra,
Dia nambara tsy nafenina,
.
Hoe ianao no tena tiko
Ny kilema rehetra iafiko
Na boka,na malemy,na jamba tsy ahoako
Fa ny fotsika miray no fetra tsy afaka ato an-dohako
.
Mahatsiaro fahasambarana,
Refa ianao no manoloana
Iriko enao no anjarako
Rahatr'izay doria AMEN
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2598 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099