ATAOVY IHANY (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOVY IHANY
Be ny olona no tsy mandinika, baranahany, tia tena
Kanefa tiavo ihany izy ireo.

Rehefa manao ny tsara ianao dia lazainy ho mitady tombon-tsoa
Kanefa manaova ihany ny tsara.

Rehefa tafita ianao dia be ireo manao Havana raha misy patsa,
Ary be mihoatra lavitra noho ireo ny mijoro ho fahavalonao
Kanefa mihezaha ho mpandresy hatrany.

Rehefa manao ny marina sy tsy tia miholakolaka ianao
Dia hiatakataka aminao ny maro
Kanefa manaova hatrany ny marina ary mandehana hatrany amin’ny lala-mahitsy.

Ny olona ambony sy tsongonolombolo izay manana fomba fijerey malalaka
Dia mety ho resin’ireo olona farak’Izay ambany sy tery saina
Kanefa manana hatrany fomba fijery malalaka.

Ny tsara vitanao androany dia mety tsy ho tsaroana rahampitso
Kanefa manaova hatrany ny tsara.

Ny ankamaroan’ny olona dia milaza fa mitsetra ny olona sahirana
Saingy hita fa mitongilana ihany any amin’ireo manan-katao
Kanefa, miadiva ihany ho an’ireo sahirana.

Ireo rehetra natsanganao an-taonany maro dia mety ho rava iray andro monja
Kanefa, manangana zavatra ihany.

Zarao amin’ny hafa izay tsara indrindra avy aminao
Dia hisaotra anao amin’ny eso sy daka izy
Kanefa omeo ataovy ihany izay azon’ny tananao atao.

Ho hitanao fa hanana fiadanam-po tsy mety ho lany ianao
Ary ho ohatra velona ho an’ny manodidina anao.

Tatamo Ravaky Ny Farihy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1341 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 15/08/2016 04:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014