Ny ankohonana (Tatamo Ravaky Ny Farihy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ankohonanaOlon-droa nifampijery,
Nifanantona tsy niery,
Nanaiky ny hiara-dia
Ka hiaraka ho doria
Tafaray ny fo sy ny aina
Saina, vatana, fanahy
Ka niakatra alitara
Izay ho avy tsy hampanahy
Tao ny ngidy sy ny mamy
Fitsapana nahamay
Nefa dia nijoro ihany
Satria io no silaka fanahy
Dia tonga ireo fara sy dimby
Sombiniaina, rehareha
Aro riaka raha te hivily
Mampikambana ny sahy
Ankohonana izany,
Izay no mahalaza azy
Olon-tiana akaiky indrindra
Manohana sy mampirindra
Iriko re ry Tompo tia
Ny hiarovanao anay
Tahio 'zahay hifankatia
Sy ho anilanao doria doria!
Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka
Mpakafy:
tatamo1
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny FarihyNampiditra : tatamo1
Daty : 25/07/2016 02:01