Fampieritreretana (Tsilaitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAMPIERITRERETANA

Aminay lehilahy, matoa zahay sahy
Mitonona ho tia, mazava 'zay ny dia
Ny hany faniriana, tokana aman-tany :
« Hianoka ny mamy eo ambonin’ny fandriana »

Rehefa eny an-dalana eny, na mody tsy miteny
Ny maso tsy mipia raha tsy avy nankafia
Tony bika tsara tefy
Ka nofy aloha lay : hoe hiodina andeha
Rehefa injay variana mandinika 'lay tiana
Anipazana fitia

Aminay lehilahy, ny vehivavy koa dia « entana »
Sy fitaovam-pahafinaretana
Tsy mahagaga indraindray raha rakotra fanday*
Ny tokantranonay


Ny anareo vehivavy, fiandrasa-mariazy
No dikan’ny fitia
Ka mazàna ianareo manavy raha sendra ka tsy tò
Lay tanjona ao am-po
Raha sendra ka mba hoe : tafaraka mandeha
Eny an-tsena :
Kojakojan-tokantrano no tianareo jerena


Fa Andriamanitra rey olona
Mba hafa fiheverana
Tsy mba manam-pahataperana
Ny fitiavana natolony
Ny Azy dia ilay hoe " Fitiavana AGAPE"
Tsy mba mety ritra ho an’ny hendry sy maditra
Ny Azy ilay fitia mahari-pahoriana
Hanatsara ilay tiana.
Vonona hijaly hoentina ampifaly
Manolotra ihany koa hoentina hanasoa.


Fa ny antsika ety, mitia dia mitia
Mitia tsy misy tanjona
Ka lasa miavonavona
Mianara aloha mitia
Izay vao mba mitia

TSILAITRA 17/02/01
(Seminera Vonjeo ny Fianakaviana, FJKM Ambohipo)
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - fananarana - vazivazy
4105 1
Hevitra mandeha
hendry ( 08/05/2004 11:51)
soa fa enao lehilahy no nilaza zany, mampalahelo raha toa zany daholo ny fihevitry ny lehilahy ny atao hoe mitia...
lailosy ( 07/03/2007 17:22)
koa aza gaga raha be zanakam-pihelezana inareo ka tsy mahazaka rehefa any amparany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsilaitra
Nampiditra : tsila
Daty : 20/03/2004 14:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108