ANDROANY IHANY IANAO NO RESY (Kazary2006)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malahelo ianao satria mandalo sedra
Mangina, mihonona ka mahereza
Fa fomban-javatra io
Ka ny hamoy fo, fadio
...
Malahelo ianao satria
Namohy anao ny namana tena tia
Tsy hoe safidiny ireny
Fa zotram-piainana ombeny
....
Mahita olona ianao
Dia mitombo indray ny talao
Mahatsiaro ny tena irery
Maratra ny fo ka mitombo indray ny fery
...
Mihonona aza tomany
Fa lalam-piainana lalovana izany
Raha malahelo mitsikia avy eo
Fantaro fa tsy ny fiainanao no mankaleo
…
Tsy mamy hono ny fiainana raha tsy misy sedra
Na mangidy, mafy zakaina dia hiareta
Ho tonga ihany ny fandresena
Fa androany ihany ny faharesena


FK MAHAVITA : 20/10/2025
_______KAZARY_______
--------
Rohy:
571 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0544