ENDRASAKO IHANY (Kazary2006)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrasako ihany! Taray, tomany ny fiainana eto
Na dia mafy aza hiareto
Fifaliana, tambitamby, fitiavana
No mba endrasako aminao re rahavana
Fa ny nasetrinao nandona ny fo;
Eto foana aho no malahelo
Toa tsy mahatsapa fitiavana izany
Fa ny fo voton'ny alahelo
Dia marary ka mitomany
Aoka re mba jereo
Ny fitiavana noteneniko anao mba ekeo
Fa marary ny fo raha tsy sitrakao
Ny fitiavana ato anatiko tiako mba ho tsapanao
Mikiky ny aina
Ka manery ny fo
Manakorotana ny saina
Ka makarary an-do(ha)
Tsy fanahy iniana
Fa teren-javatra
Ny fitiavana iniana
Tsy mahasambatra
Raha ekenao;
Dia ho mamy
Ny fitiavako anao izany
Fa raha mbola eto an-tany
Ny fanekenao ny fitiavako, endrasako ihany
FK MAHAVITA: 20/10/2025
_______kazary_______
--------
Rohy:
