FAHANGINANA (Kazary2006)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manana vava
Nefa tsy tia miresaka
Io efa fahazarana fahazaza
Fa tsy hoe henatra

Toetra miavaka
Ho ahy ireny
Na aho aza mivavaka
Dia tsy mba miteny

Fandreseko
Ny tsy miresaka
Heveriko ho fahalemeko
Ny mimenimenina loatra

Hiavahako amin'ny hafa
Fihetsika tsy tandrin'olon-kafa
Nolovaiko tamin'ilay Nahary
Toetra mendrika eto an-tany

Ahazoako fandresena
Hery ho ahy fa tsy fahalemena
Ahafantarako zavatra maro
Toetra iray tsy mifangaro(natoraly)

Fanefitry ny fahadotoana
Manaisotry ny fahabadoana
Zotra iray ho fifatoana
Anovozako fahalalana sy fahazotoana
…….

FK MAHAVITA : 05/10/2025
_______kazary_______
--------
Lien:
249 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117