FEO VOLAMENA (Kazary2006)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MiarahabaAnareo izahay
Ry Neny sy Dada
Satria ianareo no nitaiza Anay
Fankasitrahana ho anareo ange
Satria ianareo no nitaiza nahabe
Fony mbola kely aho
Dia notezainareo
Ka tsy ho foana izao
Ireo fotoana nolaninareo
Nampianatra ahy
Niaro ary nitahy
Nahitana masoandro
Nikolokolo isanandro
Mendrika ho ajaina
Ray sy Reny tsy mba malaina
Ho ela velona
Ka ho tratrantitra
Ho velom-belona
Ka ho tena aharitra
Tena ianareo ni ty
Ry Ray aman-dReny be fitia
Enga anie ny fiainantsika ety
Ho mandrakizay doria
Ho tahinao ry tompo
Ny fiainanay mifoko
Ka tsy ho afaka ato am-poko
Ireo andro kely niravoko
Tsy maintsy sedraina ka andrasako
Ny vatako tsy maina ka any am-pasako
Hiaretako mihitsy na tsy zakako
Zakaiko satria io no lalako
Izay efa voasorit'Andriamanitra ho ahy ihany koa
Dia ho zakaiko satria io no anjarako
FK MAHAVITA : 05/10/2025
_______kazary_______
--------
Rohy:
Mpakafy:
TSIMALAHY
