Hafatra (Tsitana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handeha ialahy ry Fetsyhandalo any aminy any;
ka mba lazao azy letsy
fa mbola ato ihany;
ilay olona iray
matiny fitiavany;
fa ny elanelantany
no tsy namela azy hiampita;
ampian\'ny fahantrany
zay lavitry ny ho vita.
Mbola tia hono hoe,
ho avy ihany koa,
hamerina indray
ireo natao taloha;
Satriny foana hono
ny ho anilanao
hiafy hanala sorisory
fa mahandrasa ianao.
Dia mba ialao tsiny any
raha ela zay tsy nahasoratra;
tsy izy hoe no sompatra
na koa tsy mba mahatsiaro;
fa mbola ady maromaro
no manerana ny fiainany
sy mameno ny fisainany.
Lazao azy kanefa
fa mbola hisy ilay maraina iray;
hiverenany indray
ho any an-tanindrazana;
ary amin\'zay fotoana zay
dia ho takona tsy ho tazana
ny alahelo zay nihafiana,
ka hanjary fifaliana.
--------
Rohy:
Mpakafy:
Tsitana
Hevitra mandeha
NyKanto
(
23/08/2004 15:04)
Mahereza dia hazony hatrany ny fanantenana, dia enga anie ka mba ho ren'ny fo fa tsy ho tafita ihany fotsiny ny hafatra.
Mirary soa eh!
Ny Kanto.
Mirary soa eh!
Ny Kanto.
bichette
(
24/08/2004 07:23)
enga anie tsy ho adinon'i Fetsy ny hampita ilay hafatra.