Rehefa maty aho... (Ventso ny nofiko (Thierry))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
" † REHEFA MATY AHO...† "Rehefa maty aho dia...
Aza arotsaka amiko ny ranomaso
aza atete na iray goty aza
f'efa sambatra aho lavitry ny akaso
Rehefa maty aho dia...
Aza tanisaina ireo vitako taloha
aza tanisaina fa tsy efako tsony
f'izaho ande hatory ka tsy hifoha
Rehefa maty aho dia...
Aza misaina ny amiko intsony
Aza malahelo ahy koa
F'efa lany ny pejiko ka avalony
Rehefa maty aho..
Aza atao fantatra ny amiko
Tantara ihany sisa ireny
Fa ny andro nomena ahy efa laniko
Rehefa maty aho...
Aza hanateram-boninkazo
Fa amboleo eo antokotany
Koloy tsara,aza avela halazo
Rehefa miala eto aho...
Tsena'ireo anjely any ankoatra
Izy ireo hametraka ahy
Eo amin'ilay toerana tsara voatra
Izao no mba afatra avelako
Tiavo izy raha mbola velona
Sao lahy lasa izy vao anenina
Ny rano raraka tsy azo averina
❣️? Ventso ny nofiko?❣️
RANDRIAMBOLONA Patrick Thierry 05/02/24
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Embona - Fisarahana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ventso ny nofiko (Thierry)Nampiditra : Ventsonynofiko
Daty : 05/02/2024 18:40