'NDEHA ARY RY SAKAIZA (veloma ho an'i LEVELO) (ZOZORO)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'NDEHA ARY RY SAKAIZA

Dia hangina ve i Morafeno
Fa ilay feonao tsy ho heno?
Mino aho fa tsia dia tsia
Fa mbola hanako antaranoana
Ilay feonao tsy adinoina
Ary tsy hangina izany kalo
Sy ilay feon-gitaranao
Nahavarina ny mpandalo.

Imamo moa ve tsy hisaona
Satria ilay zanaka anoloana
mpandrotsirotsy sy mpivazo
No indro nilofika sy lavo !
Nefa na izany aza
hainay ny mionona
anaty kalonao miangonona
Fa tsangambato mpahalovana
Eto an-tany fandalovana.

Ambaniavaratra, Tsarahonenana
Na i kianja na Fonenana
Samy mahatsiaro ampo
Tsy manadino avokoa
Antanibe ve olazaina
Tsy hanadino anao lalaina
Maharefo, Manakasina
Ampahimanga, Mangatany
Mitahiry ampo sy ampanahy hatrany.

Matoria ry Havanay
Matoria mandrakizay
Misaotra fa tsy niambahamba
Nampifaly ny belamba
Imamo tsy mba anadino
Ilay mpivazony tety
'Ndeha ary ry sakaiza
...fa niova baiko izany dia...

Mbola tsy lehibe ianao
zaho mbola tena ankizy
Rehefa injay i Neninao
Miantso mafy ery izay tsy izy !
............................................

Nakaiza i Velo pakalelo ! !!

Ory aho te-hitomany !
Fahatsiarovana izany !!!

06 août 2009
Zozoro
--------
Rohy:
2108 0
Hevitra mandeha
ari.malala ( 06/08/2009 13:29)
Mahaiza mionona e! Fandalovana avokoa izao hita izao...
Zozoro ( 06/08/2009 13:52)
Misaotra ari.malala.

Be tokoa ny fitiavana sy ny fahatsiarovana... ny elanelan-tany izay tsy azo anoharana koa eo an-daniny ka mamohafoha ny fahazazana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105