RAHAMPITSO (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHAMPITSO


Rahampitso indray dia ahoana ?
...
Mampiady saina mampaory
Endrey izaho ity reraka ...
Eny indrisy ... lavi-tory...
Ankinana amin'iza moa
Raha noana ireo na mitomany ?
Tsy kasihin-drampitondra
Fa adiko, hono, izany.
Izaho anefa tena trotraka
Eny ambivitra ilay aina
Kanefa ireto sombiniaiko
Mila ahy hatrany hatrany
Izaho anefa ity jereo
Zara indrisy raha mitsangana
Mihovitrovitra ny tenako...
Ny fanahiko mimaona...
Andriamanitra ô !
Ny rahampitsonay ahoana ??


Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1564 0
Hevitra mandeha
kalesy ( 28/09/2013 15:38)
Aza mbola kivy aloha,
Fa "minoa fotsiny ihany"
F`any misy tia tokoa
Hany namana eto an-tany;

Izy tsy hanadino anao
Indra-fo ny voninahiny
Dia ny Tompo ambony ao ... anie
Homba anao ny "fanahiny".
Zozoro ( 28/09/2013 16:34)
Ny zozoro raha milefika
Tsy folaka tsy akory fa mandry dia miharina
...Izy, raha sendra diso paika
dia mangina ary mibanjina ny tanjona ho tratrarina..
Zozoro ( 28/09/2013 16:36)
Ny zozoro raha milefika
Tsy folaka tsy akory fa mandry dia miharina
...Izy, raha sendra diso paika
dia mangina ary mibanjina ny tanjona ho tratrarina..
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101