ZOKIKO Ô ! (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko ahoana ny filaza
Ary koa anambara
Ary iza no hiano raha toa ka dradraiko
Amin’izao tontolo izao
Ny fiarahan-tsika roa
Feno fifankatiavana
Tao ampo sy ampanahy
Tsy nisy tsiny fa madio
Tiana ho dradradraina anio...

Ny fifamoivoizana tety
Ny tafa etsy sy ery
Indrindra ny hira sy ny hehy
Nahagaga ny mpandeha !
Dia ho foana ve sy ho tarangana
Tsy hisy izay hitsangana
Anatrehan’izy ireo
Fa hoe maty izany feo.

Tsia ry rahavaviko malala
Izay mangatsika mamanala
Fa raha mbola ao ny fofonaina
Ary koa mbola mivoaka amin’ny
Vava oroko an-kiroa
Dia mbola eo isika roa.

Ho dradraiko eran-tany
Fa ise izay lasana any
Dia namela mamy
Toy ny tantely anaty an-kany
Teo an-tanànantsika
Ny talentanao nomena
Nahasondriana ny rehetra
Dia vatolampy fehizoro
Lovasoa mitoetra.

Zokiko ô ! zoky tiako
Izay lasa tsy hiverina
Indrisy re ity zandrinao
Fa mifika ny tamberina.
...
Hatraiza ka hatraiza ny fetrany amin’izany
Eto an-tany ihany ve sa hitohy an-danitra any ?
Ray ô ! Ry Ray malala Fitiavana inoko
Trotroy an-tratranao re ilay rahavaviko tsy foiko
Vita ny adiny tety, vita koa ny fivahiniany
Raiso izy ary ekeo ho anaisan’ny olonao tsy mana-tsiny.


Ray ô !

Misy teny fohy, hafatra kely mba ho azy
Iangaviko Ianao mba lazao azy indrindra
Ary aoka re Ianao tsy anome tsiny
Ambarao fa tiako anie ilay rahavaviko iny.

Misaotra Ray ô !

Zozoro
--------
Rohy:
1405 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108