Ny kaloko hono hoe (Rary Nofy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny kaloko hono hoe'
toa kalon'olon'ory!
kalon'olon-dresy
sy toa reradrera-tsaina!
fa tsy nahita tory

Amin'iza no hitaraina?
Amin'iza no hiankim-po?

Ny kaloko hono hoe'
toa mihavaka amin'ny hafa;
Iriako mba hateza!
hiraikitra tsy ho voafafa;
any an-tsain'ny mpamaky;
mba hampifaly fo vaky;
mba hampionona fo maratra!!

Ny kaloko hono hoe'
kalon'olo-mangina;
toa feno ventsom-po;
alahelo mamelovelo
fa lavitr'olon-tiana!
Lavitra sakaiza!
Lavitra,fa ho aiza?
Ty singan'olon-drery!

Toa mafy,toa an-tery;
nisedra ny mangidy;
nanao soa sy adidy!!!


Diampenin'i Maharavo Andriamalinarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Namana - embona - fiainana
869 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152