ADINO - ADR
Azo vakiana?
ADINO
Adinonao mantsy aho,
dia tavela irery eto,
mitoetra irery ka misento
no hany sisa mba atao!
Adinonao lay hirantsika,
Lay nankahala fisarahana
Ny hany sisa ampelantanana
Dia tantara mangatsiaka
Adinonao tanteraka aho
Lay tena tia anao tokoa
Nefa ho aiza intsony moa
Reraka ny mitalaho
Adinonao ilay harena
Lay atao hoe fahendrena
lay tena fantatra ary ekena
fa ambony noho ny volamena
ADR
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : ADR
Nampiditra : isangojyDaty : 10/11/2008
Mpamangy : 1598
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MPIHETRAKETRAKATIAKO IANAO
MENARANA
HO ANAO
TONONKALOKO
NA DIA
FARANY AHO HANGINA