You are here: home > Vetso

NA DIA - ADR

Azo vakiana?

NA DIA

Na dia lazainao hoe adala aza aho,
ka ataonao hoe rediredy ny zavatra lazaiko,
dia aoka ho fantatrao, fa ianao raha mibedy,
dia vao maika koa lalaiko.

Na dia hangarika aza ianao,
ka tezitra tsy te hijery zany tavako,
dia aoka ho fantatrao fa ny harikao indrindra,
no mampitoetra ny fitiavako.

Na dia tsy eto aza ianao,
fa any ambadika any no manonona ny anarako,
dia fantaro ihany koa, fa tsy olonkafa fa ianao,
No tsy miala eo ambavako.

ADR

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ADR

Nampiditra : isangojy
Daty : 10/11/2008
Mpamangy : 1234
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MPIHETRAKETRAKA
TIAKO IANAO
ADINO
MENARANA
HO ANAO
TONONKALOKO
FARANY AHO HANGINA