FARANY AHO HANGINA - ADR
Farany aho hangina, hanadino ireo tantara,
Farany aho hangina, tsy hanana malala
Farany aho hangina, tsy hiteny zany intsony
Farany aho hangina, fa lavitry ny fony,
Farany aho hangina, fa leo manambitamby
Farany aho hangina, mandra-podimandry
Farany aho hangina, mba hanana hambo-po
Hangina aho fa tsy tiana, izay no ataoko an-doha
Farany aho hangina, tsy hanonona ny anarany
Farany aho hangina, ary hangina hatramin'ny farany
Farany aho hangina, fa leon'ny manantena
Farany aho hangina, f'izay no fahendrena!
Farany aho hangina, tena farany aho hangina
Farany aho hangina.
ADR
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : ADR
Nampiditra : isangojyDaty : 10/11/2008
Mpamangy : 1796
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MPIHETRAKETRAKATIAKO IANAO
ADINO
MENARANA
HO ANAO
TONONKALOKO
NA DIA