MENARANA (ADR)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOVOVAVY

Nahoana ianao ry tovovavy, no dia mivadibadidela,
Mahay mandangolango ery, nefa tsy mijanona ela,
Nahoana ianao no mahay mitia, nefa avy eo dia mampifila
Rehefa fantatrao fa tia, dia hoy ianao, izaho tsy mila!

Nahoana ianao ry tovovavy no dia sarotra fantarina,
Tsy azo vinaniana akory hoe, iza marina no marina,
Fa mba manao ahoana re, raha ianao no niova toetra,
Tsy nanaradia an'i Eva, ,ny tovovavy rehetra rehetra.

Sahinao no nianiana, fa ny ainao no fetra,
Feno fandrika daholo ny teny avoakanao rehetra,
Nahoana ianao no tia mandainga,antsoiko mihitsy hoe bibilava,
Tia miovaova loko tsy mba menatra mandrava

Nahoana ianao no dia niantso,niantso ahy hoe malala
Nefa vetivety eo aho, atosikao anjorom-bala,
Tsy maninona izany ra izay no sitrakao,
Fa izaho no toa malemy, nety nofitahinao.

ADR
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1983 1
Mpakafy: ikalamako
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 28/03/2015 07:41)
tena mahay enao na tsy matihanina araka ny nolazainao ary!! tsara fa tohizo e!
niyaridan06 ( 18/08/2017 11:49)
tena miaiky anao aho, ary mb iriko dia iriko ny mba isy fiaonana aminao ho fifanakalozana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ADR
Nampiditra : isangojy
Daty : 10/11/2008 07:38
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153