Misaotra (Aino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra!

Misaotra anao aho, izay mitohetra eto anilako
Misaotra noho ireo tohetranao mahafinaritra
Izay manolotra ahy ny tsara sy ny ratsy
Manolotr’ireo izay fitiavana izay ao amponao


Mifona manao azafady

Raha misy ireo zavatra tsy tianao nataoko
Raha nisy fotoana iray izay nahadiso hay
Fa tiako ho fatatrao….
Fa olombelona aho,izay mitovy anao
Ireo hadisoako sy tsy ataoko, fa sanatsia hivadika aminao

Ny any fiangafiako anao


Dia avelao aho hitia anao na dia kely aza…
Avelao aho ho eo anilanao eo
Andinik’ireo masonao roa mijery mandinikia hay
Tsy mba ahatsiaro hilaozanao… satsia tsy ho tantiko mantsy
Satsia tsy fatatrao fa tia anao aho ary ho tiaviko faona ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2588 1
Hevitra mandeha
zoky ( 07/05/2008 10:03)
tsara be,marina zany, tohizo ny fanoratana vetso lol
Aino ( 17/05/2008 17:57)
zoky ka ny gramatika tsy de tsara laotra anie, de tsy indraindray ihany koa vao mba mahay fa tsy le tena panoratra be ireny mantsy isika fa rehefa lasa amborona ihany vao miainga ny haingam-panahy hihihihi
winner ( 26/11/2008 16:30)
misy aingam-panahy lalina fa mahay mitia le mpanoratra, saika nandefitra be loatra indray, tsara fa tohizo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : Aino
Daty : 22/04/2008 20:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01