You are here: home > Vetso

TANDINDONA TSY NIALA - Alyrah

Azo vakiana?

        TANDINDONA TSY NIALA

Tandindona tsy niala,
tsy tafandry hatramin’ny fo
ataovy toy ny tanala
very sampy, ka esory ao an-doha,
ny lasanao mba avelao
hatory  tsy hamoha
tena mafy hatramin’izao
vao foana tsy ho lo.

Tandindona tsy niala,
tsy niserana nitoetra
lazao azy tsy an-kisala
tsiahy foana tsisy fetra,
na nandao ary toa tsapa
mbola banga ihany anie!
ndeha ho avadika ny tafa
alahelo foana ve?
         .........
ALYRAH