You are here: home > Vetso

Eny...! - anarim

Ny hafaliako?
Ianao ry tiako!

Ny hasambarako?
Ianao no anjarako!

Ka tsy hitsikera,
Na hidera.

Tsy handoka,
Na hanafoka.

Hitia anao
Tsotra izao.

Ataoko ampy ahy
Tsy ho tsinahy.

Ho tena mamiko
Na dia indramiko,

Raha toa ny tany
Mandalo ihany,

Tsy mampaninona,
F’izaho tsinona

Efa vonona
Ny  hanonona

Ilay teny
Mitory ny ENY.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

mangidy (13/08/2009 18:41:18)

Eny hoy ianao,
Nefa ekeko tsotrizao
Ilay lahatr'Andriamanitra
Dia ilay fitia tsy naharitra

Nampindramina ahy iky
Ity tanintsika ity
Ka aoka ary izaho sy ianao
Ahay anaiky atramizao

Tiava ianao, tiava ihany
Fa raha mbola tany koa ny tany
Iara dia, iara tsambatra
Ny fonareo raha toa atambatra.

ANARIM (14/08/2009 08:19:32)

ouuuuuuuuuuuuuuu selie d'amoul! ENY!

mangidy (14/08/2009 11:48:27)

kay ve njy manantalenta ato ko e!
za akia mba manao kisoratsoratra adaladala a
nefa hono mba te anoratra sy iantso an'i malala a!
sady mba mihezaka ny anoratra teny gasy akia fa injainjay de mitenyteny foana hono
sady misy milaza ho be sentimaka ntss kiss mamy njy! selie d'amoul e

rhina (15/08/2009 11:04:52)

fa nisy inona ry mangidy !!!
tena misy ny ainga avy @ zavamisy e!!!
mahereza s mazotoa fa tsara

mangidy (16/08/2009 00:29:29)

Rhina izaho anie mba mampiakatra feling e
ka izay voasoratro ato tsy maninona
Na manorampona
Rehefa misy ny fotoana

Fa ilay sentiment tsy mety tafa
Raha toa ka misy mihafahafa
Misaotra anao nampahery
Nefa aoka tsy ho ahy irery.

rhina (16/08/2009 11:26:07)

ai moa zany iz ty i!
nieritreritra aho mantsy fa hoe nisy !
nisy! zavatra nanjo ka, nahatorotoro fo
nefa,
nefa! ai feeling miainga
mety kan
mety tena mety ka mankasitraka

Hametraka hevitra

Midira aloha