Raha tsy ianao ry dada... (anarim)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada ô !

Matetika filaza hoe hafa ihany i neny
Ilay kibo nifonosana, nampianatra niteny
Sy ny sisa sy ny sisa, tsy ary ho voatanisa...

Androany kosa, ambarako etoana
F’ianao no tena hafa, raha misy izay tsaroana
Ry dada tena tiako, antom-pifaliako...

Iza tokoa mantsy, no andry nianteherako
sy kitro nifaharana tamin’izay natrehako
raha tsy ianao ry dada?

Iza ihany koa no mba nampitraka
tsy nampilofika ahy raha tojo izay tsy zaka
raha tsy ianao ry dada?

Iza, eny iza, no mety nahavita
nikolo, nanabe, nanao izay naha-tafita
raha tsy ianao ry dada?

Koa na misy mihevitra aza fa adino ianao matetika
Dia laviko tanteraka zato hevitra sy fihetsika

Ny elanelan-tany no mampisaraka tsy satry
Fa ny anaranao ry dada, vita sikotra ato anaty...

Isan’andro, isan’ora, ary koa mandavan-taona
Dia tsaroana ianao ry dada ; arahabaina manoloana.

Ny andro anio tokoa mantsy, natokanay ho anao ry dada
Koa indro iaino s’ifalio, di’ataovy mirana ny tava

Tsy handalo foana ihany fa ho andro tena miavaka
hanovozan’ainga vao ary hitrotroana am-bavaka

Koa indreto ny Fiangonana, s’izahay taranakao
Manamafy ny arahaba ary mi-tsodrano izao

Toy ny tamin’ny taon-dasa, ren’ny Tompo ny taraina
Ka lay alina mangidy, tonga andon’ny maraina

Dia mahaleova, mahalasàna re ry dadako malala
Ny fitiavanay anao, mahatokisa fa tsy hiala.

Antenaiko ihany koa fa ny eto Ambodifahitra,
mbola tena tia anao ka hitsinjo tsy hitsahatra

Pasitera hatramin’ny farany, n’inon’inona mitrànga
Tsy mivadi-panekena, sa ahoana Randriamanga?

Eny, ampy izay, ndeha hapetrako ny peniko
Izay mety tsy voalazako, enga anie ka tsy ho neniko

Manam-petra tokoa mantsy, raha ny vetsovetsom-poko
Fa ao Ilay Tompo be fitia, izay maheno ny toloko

Izy anie hitsinjo hatrany izato fahanteranao
Mandram-pialanao ny tany, ho any edena vaovao.

Mahereza hatrany, izany dadako malala...

(Raoniarimanga Minosoa - FJKM Ambodifahitra Martiora - 26/01/2020)
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
930 2
Mpakafy: ANARIM - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anarim
Nampiditra : ANARIM
Daty : 27/01/2020 12:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148