Eny r'ilay silako! (anarim)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taona maro izay no lasa
Mbola maro no kinasa
Fa raha ny hatreto aloha
Dia indro aborako ny fo

Nifamahofaho teny
Ny mangidy sy ny mamy
Saingy efa fantantsika ireny
Fa fomban-tany ihany

Dia teo foana ianao ho ahy
Ary teo foana aho ho anao
Ka tsy misy mampanahy
Ny amintsika hatramizao

Ekeko fa tsy mora tokoa
Ny nifampitondra hatrizay
Fa noresentsika avokoa
Ireo sakana sy alizay


Ranomaso, fifaliana..
Nifandimby hatrany hatrany
Tebiteby, tsy fisiana,
Tsy nahalavo antsika izany

Dia manantena aho ry tiako
Fa mbola ho lava ny fotoana
Hizarako ny hafaliako
Aminao mandava-taona
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/anarim/eny-rilay-silako
Sokajy : embona
1941 3
Hevitra mandeha
ANARIM ( 03/08/2009 16:47)
1995-2009 : kely sisa dia 15 taona...
hery ( 03/08/2009 19:40)
HIhihi, vao namaky aho dia gaga hoe fa hisy anniversaire angaha ato ho ato? Hay mbola amin'ny herintaona :-)
endrika01 ( 08/08/2009 05:37)
Tiako be ilay Vetso-nao,aza adino ny tenanay refa tonga lay tsingerin-taona faha-15 :D
ANARIM ( 10/08/2009 10:05)
misaotra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anarim
Nampiditra : ANARIM
Daty : 03/08/2009 16:46
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1799