Noho ny amin'i dada 90 taona (anarim)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noho ny amin'i dada, sivifolo taona

Tononkalo vao no indro izao ateriko
Tompo ô ianao no tanjako sy heriko....
Ny Anaranao irery no indro ankalazaiko
Ianao r'llay Tsitoha no mbola andrandraiko

Isaorako eto anio ny sandrinao mahery
Nitantana ny dia ka tsy mba nisy very
F’indreto tafavory tena an-kafaliana
Miramiran-tava, feno fitsikiana...

Eny, tena faly, dibok’haravoana
Noho ny amin'i dada, sivifolo taona
Fitahiam-be, tsy takatry ny saina
Avy Aminao ry Ray, Ilay nanome ny aina....

Koa indreto izahay manolotra ny saotra
Ho anao ry Tompo, avy ao am-po miloatra
Mankatelina e! fa nataonao mirindra
Ny fiainan'i dada, tsy lavo raha mamindra

Koa dia mankasitraka, misaotra indrindra Ray
Fa sivifolo taona androany i dadanay
Famindram-po sy koa fahasoavana
Avy Aminao ry Tompo, ny fiainany raha mavana

Na nisy irony banga fony nandao i neny
Nomenao hery dada, ka niroso ombieny
Nitraka sy nitsinjo hatrany anay taranaka
Izay tokoa i dada, tena tia zanaka...

Tsy izahay naterany ihany anefa izany
F'ireto ondry maro, adidy eto an-tany
Nizarana soa sy vaovao mahafaly
Ho tonga voavonjy, lavitry ny jaly...

Koa ny andro anio, dia tena andro miavaka
Natokanay indrindra mba hitrotroana am-bavaka
Ho anao ry dada, arahabaina manoloana
Fa indro nahatratra ity sivifolo taona

Ao ny Tompo mahalala, Izy hatrany no aoka handidy
Hampitahiry ilay finoana, volamena sarobidy
Ka ny ankoatry ny anio, s'izay ampitsony rehetra
Mbola ho ampoky ny soa sy fifaliana tsisy fetra.

Koa soàva sy sambàra ry dadako malala!

10 Oktobra 1933 - 10 Oktobra 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy
90 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anarim
Nampiditra : ANARIM
Daty : 18/02/2024 17:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146