R'ILAY VAVY TOKAKO! (anarim)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mirana Liantsoa,

Raha fony vao nitsaika ianao ilay tao am-bohoka,
Dia nandohalika aho nivavaka ? niankohoka,
Hoe Tompo o, ankehitriny toloranao taranaka,
Hisantatra am-pitiavana izany hoe manan-janaka!
Dia iangaviako Anao sy italahoako indrindra,
Ny aminy rehetra mba hataoNao mirindra!
Izay fiainana hatrehany sy lalana hodiaviny,
Dia aoka Ianao ry Tompo no hiantoka ny ho aviny! ♾️

Ankehitriny anaka, ry tiako sy lalaiko❤️
R’ilay vavy tokako ?, tena sombin’ny aiko ?
Ianao hikopak’elatra, hanorin-tokantrano,
Dia foiko manontolo, tolorako tso-drano?
Ho tia, ho tiana, hianoka hasambarana ❤️
Ho ampoky ny soa tsy misy fitsaharana!
K’izay mety ho fikasana sy rehetra faniriana :
Dia ho tojo anareo roa, ho lavitry ny hakiviana !

Toky ❤️ Mirana ❤️ :
Ny dingana voalohany atrehina androany,
No ho santatr’ireo soa hiboiboika tsy ho lany,
Ary pejy vaovao, hahaliana sy hahafinaritra,
No irariako ho anareo : dia tokantrano tena haharitra ♾️??
Ao ny Tompo mahalala, dia Izy hatrany no aoka handidy!
Hitari-dalana anareo, tsy handiso ny safidy,
Raha sendra tojo olana, satria mantsy ny eto an-tany...
Toa kodiarana sarety, mangidy miaro mamy ?
Dia Jesoa, ‘Lay be fitiavana no itodiho sy ifikiro?
Fa Izy no hitantana, hitari-dalana, ho jiro !

Ary ‘reto maso keliko raha toa manganohano,
Dia aza malahelo fa ranomaso mitso-drano :
Hoe Soàva sy Sambàra dia Mahareta hatramin’ny farany!♾️❤️
Satria tokoa ianareo roa samy efa tojo ny anjarany❤️?

Toky : arahabaina tonga soa anivon’ny fianakaviana ?
Mirana : mahaleova mahalasana, anilan’ilay tiana!❤️

Sabotsy 17 oktobra 2026.
SOLI DEO GLORIA
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Fiainana - Fitiavana
28 1
Mpakafy: ANARIM
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0222