You are here: home > Vetso

Hono ho aho - Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)

Hono ho aho ry malala
Mba nankaiza ilay
Fitia tsy manan-tsahala ,
Izay nomena hatrizay ?

Toa manjavona ankehitriny
Ilay fitiavanao fahiny
Toa manjary bobongolo
Ilay fitia tsy voasolo

Hono ho' aho ?
Mba nankaiza foana ?
Mba nankaiza teo ?
Sa efa leo  ?

Hono ho'aho ?
Efa adino ve sa ?
Niniana nokosehana ka
Navela hangatsiaka
Ilay fitiavantsika ?

Any anefa taona
Any koa ny volana
Tsy maintsy mbola hihaona
Sy voavaha ny olana


Detekitiva 29 /08/ 04  Ankadifotsy

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

detekitiva (07/09/2004 12:05:15)

fa nahoana no toa navela izy handeha irery any
Tsy mba fidiny aminy koa anie !

Elfadar

bitaka (07/09/2004 13:35:04)

He sô de fetsy i Detektiva, inona no manakana an'la tsy hanolo azy rehefa navelany irery, izay no lahatra ka atao ahoana e mamangy am'fahoriana r'ise o booooooooh
taikysôv de l'episôdov ihany e!

detekitiva (07/09/2004 13:38:25)

snif snif efa hangina aho r'le bitaka a saotra e !

crrlanto (08/09/2004 00:02:24)

Mpanoratra ,mahay milaza @ fomba mahitsy ny ao ampony. afaka mipetraka eo @ toeran,ny ireo nilaozan,ny olontiany.Manantena foana e ,na dia efa lasa ny tiana?tsara fa tohizo

Hametraka hevitra

Midira aloha