You are here: home > Vetso

RAVALOMANANA - Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)

Ny  dimy taona dia fiandohana
Ireo asa vita no hifampitsarana
Na ireo any an-tsaha na ety an-tànana
Tsapa sy hita ireo fiovana

Mamy loatra raha toa ho tohizana
Ireo asa vita tsara  hikirizana
Satria  mamintsika  ity  Tanindrazana
Miara-miasa fa tsy ho mpitazana

Raha tianao izany, izao no tadidio
Ravalomanana  re no fidio
Tsapanao  ny asa vita  sy fivoarana
Tohizo ho tsara  fa aza  soparana

Izaho sy ianao  handray adidy
Tsy  ho voafitaka  rehefa  mifidy
Fa  i Ravalomanana, na hoe Ravalo
Izy fidiana  fa aza atakalo

Izy no miezaka  nanala ny trosa
Nitambesatra  ela, izay niavosa
Nahatsapa tokoa, ireo firenena
Tena niasa I Ravalo ka aoka  hekena

Ny fampandrosoana  tsy  vitan-kabary
Tsy maintsy  alamina atao  lavorary
Na ny eto  an-toerana na ny any ampita
Ampahany betsaka no efa vita

Tsy voarebireby ianao na variana
Fa Ravalomanana ihany fidina
Izy no TOKY  sy ho  FAMONJENA
Ho fanavotana  ity Firenena

Fidio Ravalo fa tsy misy hanenenana
Fa vonona hatrany hanao fanarenana
Aza misalasala fa RAVALOMANANA
Hiaraka miasa , hitondra fiadanana

Sokajy : Fiaraha-monina

Hevitra mandeha

bitaka (16/11/2006 07:14:29)

sô de fetsy! asa vita no hifampitsarana = AVI am'zay, AVI sa AVANANA? tsy aleo RAVALOMANANA

lebera (16/11/2006 09:40:04)

saotsa e! tsa fetsy izany izaho fa mba teha horanatra sy hao tonokalo ho azy fotsiny ihany ka
efa mba hitanareo ily resaka be any iny ve?

sarondrahona (29/11/2008 17:13:45)

izaho mieritreritra hoe ny safidy
tsy azo atakalo io, no tsy natao hamidy
tsy azo terena ary tsy azo vozonana
kanefa tsy helok'izay efa niomana

nefa ny tiako tsindriana dia izao
maro ny tolona efa natao
samy natavy ny teny nambarany
fa matsatso foana rehefa amin'ny farany

Hametraka hevitra

Midira aloha