You are here: home > Vetso

Tsy variana - Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)

Azo vakiana?

Tsy resy tsy akory ry tiana
Ny olo-magina
fa miretreitra ny aty aaoriana
Fa tsy variana
Ny olon'ny fo
No tonga dia miatroatra
Ohatra ny ronono mandroatra
F izaho kosa
Tsy variana  

Mbola ho avy avy aho  Heriniaina
Fa aza miferinaina
Fa tsy very akory ny saina
Fa somary malaindaina

Ny tsiky kely fotsiny
No nadinoko hatrizay
F aza dia sarotiny
F tena mahamay
Detekitiva  Behoririka 8 / 05 /05

Hevitra mandeha

detekitiva (10/05/2005 15:58:43)

fa n ahoana kay no dia tsy misy mandefa hafatra ny tonokaloko fa mahasosotra ve sa mahafaly anareo

nikopol (12/05/2005 10:21:45)

detekitiva tena tsy mahasosotra mintsy ka ! lol sady ianao tsy dia hita matetika tao ho ao noheveriko fa mbola nanao filatura....
milay e !

andriary (12/05/2005 15:20:26)

Misaotra ry det a!manahoana ao amin'ny cybr behoririka ao!mbola variana manoratra aho dia tsy mbola namoha hira fa toa hanao clip ny efa vita e!merci!aza mangina izany

detekitiva (14/05/2005 13:14:17)

eny isaoran ny tompo koa e!

Malalason (24/05/2005 17:39:47)

tsy taitra ise ry Dety Ekitiva fa andefasako hevitra daholo ny an'se a! fa mantamahelo daholo anie le izy e! asio masoandro mihiratra kely raha mety e!