Vintan-dratsy sa ......tsy anjara - Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
Azo vakiana?
Vitan - dratsy sa …tsy anjara
Izaho moa dia olona tsotra
Tsotra ny fianako
Tsotra ny fisainako
Tsotra nefa matotra
Eny ho aho ry volana
Dia nisy koa ny olana
Tamin’ny fianako
Zay mba nodiaviko
Maniry aho, maniry mba hitia
Singy indrisy anefa voahilika satria
Tsy mba mitovy amin’izato olona
Zay mijoro toa vololona
Izaho moa tsy mba manana
Afa tsy izay eo ampelan – tanana
Hany heriko dia mijery ireo hafa
Na dia manompo aza ,sy solafa
Inona moa izaho
Tsy mba manana pataloha jinina
Fa mitsiritra fotsiny ireo bandy be sitilina
Fa mba inona moa izay izaho
Amin’izao fotoana izao
Tsy mba manana adidas, kiraro palitao
Fa inona moa no tsy hitovizako amin’ny hafa
Fa nahona kosa moa nofinganina sahady
Izaho tanora vao mba hitady
Tsy ny vintako anefa no ratsy fa ny manodidina ahy
Tsy izaho ratsy anjara fa vao teraka aho dia ;
Dia voahomana ny tantara
Izay lalana hizorako
Saingy indrisy anefa fa voasompatra
Ilay tanataram- piainako
Detekitiva 07/09/04 Ankadifotsy 14:38:30
Hevitra mandeha
mimi12 (05/11/2010 00:01:21)
Andrimanitra manome fa balita no tsy ambinina ve..??
samy manana ny najarany hono eto an-tany satria izy mihodina, boribory ihany
Mombamomba
Mpanoratra : Andriatsitohaina H. J L Detekitiva (detekitiva)
Nampiditra : detekitivaDaty : 08/09/2004
Mpamangy : 2581
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RAVALOMANANAHono ho aho
Dis'aho
Angamba
Tsy variana
Tsy variana
Na dia .....