Rabainina bekibo - Andrimaranitra
Azo vakiana?
Miroradroraka aok\'izany ny tavin-drabainina
Mitosatosaka mandrosoroso ny kibony mibontsina tsy mba oainina
Ny lanjany tsy mampino 150 kilao
Ny tavy laniny koa farafaharatsiny 1 sy sasany kilao
Fa ny loza rehefa mierotra izy amin'ny alina
Makavoky ny torimaso ianao andro aman'alina
Mihozona daholo ny vatan'ilay farafara
Raha hazo dia iny alina iny dia tapaka raha tara
Ny sakafo ambony latabatra milahatra asesy
Raha ilaozana gaga eo efa tsisy koa ny an'ialahy lesy
Ny akanjo refy 42 aza tsy atonona
Ny kiraro izay latsaky ny 45 dia efa mionona
Indray andro sendra nanakana 2cv taxi
Vao nahita ny mpamily dia nirifatra nandositra nahita an'ilery
4L kely iray no mba nanandrana tsy namilafila
efa natao lafolafo ny sarany itsinjovana izay piesy mipika bila
Ahoana ary no nanaovana ahy hoy ianareo
Tsy hoe lasa lavitra ny saiko fa nahay ry zareo
Samy natavy na rabofy aza
Izao matavy hatramin'ireo zaza
Tsy fanao mihitsy ny miady aminy
Dominy indray mandeha amin'ny kibobeny dia ahita ny anganony
Misy tohiny kely version RAP ao amin'ny "Haitso haitso fofon'aiko"
Hevitra mandeha
phyd (16/11/2005 08:26:58)
phyd (16/11/2005 13:47:27)
isaky ny mamaky an'io za de faly fôna tena milay lesy a
andrysecabi (07/09/2007 08:16:18)
merci phyd a!
io njay ny tohiny ze ijery
andrysecabi (07/09/2007 08:16:42)
merci phyd a!
io njay ny tohiny ze ijery
andrysecabi (07/09/2007 08:16:43)
merci phyd a!
io njay ny tohiny ze ijery
dadatsima (20/02/2012 22:49:52)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Andrimaranitra
Nampiditra : andrysecabiDaty : 12/11/2005
Mpamangy : 1787
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny orokao mamyVelona foana Izy
Tsy maty fa matory
Alok'ilay olona...
Alok’ilay olona
Toy ny...
Toy…
Aleoko ho nofy
Haitso Haitso fofon'aiko
Haitso Haitso fofon'aiko