Sorakodia (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Sorakodia?
Toy ny fiarakodia!
Ny fiara mikodia
N'aiza n'oviana tany misy fitia
Ny sorakodia solon'ny teny
Ny teny mandalo ny soratra toy ny reny
Mananatra mampiravoravo
Mahatafita, manarina ny lavo

Sorakodia voalohany
Dia penina mandriaka ny lohany
Ny sainao no mampandriaka azy
Ny fonao mampisosa azy voasazy

Sorakodia manaraka
Dia ny kolontsaina ho an'ny taranaka
Ny razana takelaka havatsa
Eny an-koditrao ry anaka, fadio ny mandatsa

Sorakodia tohiny
Antontan-taratasy samihafa
Mariky ny maha-olombelona, zo hajaina sy hitafa
Ny sotasota mahavatra miziriziry manimba
Fa ny soratra vavolombelona hanoritra ny riba

Sorakodia mety farany tsy lany
Dia ny razana sy ny tany
Anisan'ireo mpivarotra taolam-paty ianao
Raha mivarotra ambongadiny ny tanindrazanao.

Samy manana ny sorakodiany
Ny ahy tsy avelako hadiany!
--------
Rohy:
2125 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106