FIKAFIKANY BE PÔLITIKA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
--------------------------------------------
'zaho te hanoratra anefa tsy sahy,
tsy mana-tsafidy aho, na dia te hilay,
fa misy ny didy nivoaka avy any ambony,
izay mampigadra, raha manorisory,
--------------------------------------------
raha manohintohina, filaminam-bahoaka,
dia enjehiny lalana sy ireo be "bôtte",
marina io, sady rariny loatra,
f'ireo mpanao pôlitika, mitady hitroatra,
--------------------------------------------
f'ireo mpanao pôlitika, mitady vahoaka,
dia hita mihintsy hoe: tsy te hivoatra,
fa manakorontana ny efa milamina,
ka mampirisika mihintsy aho, enjeho ra "gendarme",
--------------------------------------------
ny an'ireo mitady toerana ambony,
dia ny vahoaka no mitady ho vonoiny,
tambatambazany ilay dimy arivo,
dia roboka daholo, manao matso bingo,
--------------------------------------------
f'ireo mpanao pôlitika, misisika hatrany,
sady mangarona ny ati-vilany,
mody be vava sy mampiaka-peo,
fa raha vao voa ianao, dia avelany eo,
--------------------------------------------
antsoiny daholo ireo mpanao gazety,
ny teny voarindra sy atao metimety,
avoaka "radio", "télé", internet,
fa izy ireo no 1000 "tête", sady lazainy fa tsy
be "FAINTY" .... "FAINTY"
--------------------------------------------
dia io fa miakatra ny tosi-drà,
fa hoe : marina mihintsy re, ny an-drizalahy,
dia mody manentana sy mamorona fety,
mba hamborahana, ireo lazaina tsy mety;
--------------------------------------------
ireo mpikarama efa any anaty vahoaka,
dia mody mihoraka, sy mihôgahôga,
mi-"exciter" hoe andao ireo apôaka,
aza misy miala , aza misy mitsoaka,
--------------------------------------------
dia raikitra ho azy, ary izany sakoroka,
fa ny fanjakana mijoro, koa tsy mba miforitra,
dia ny vahoaka no mihinan'ny fatiny,
f'ireo mpanao pôlitika, ao aorianan'ny angambany
--------------------------------------------
za mba miteny re, sady mananatra,
teneno ny zaza, alefaso hianatra,
f'ireo mpanao pôlitika mampiasa ati-doha,
ny kely saina avy hatrany dia ho voa...
--------------------------------------------
ANDRIAMASIMANANA ANDRY
--------
Rohy:
1028 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101