I KETAKA SY RALAY ("AVENTURE") TOHINY - ANDRIAMASIMANANA Andry
Azo vakiana?
dia andao ary tohizana, fa ianareo sasa-miandry e!
sady izaho koa ato efa leo ny mandady,
dia tapitra teo ilay 20 minitra,
ny bandy amin'io mipitrapitra,
minia mikimpy kanefa tsy hatory,
mitsiriritra ny lanitra ambony,
kanefa tsy ampoizina fa hay nisy maso,
misodisody mitady hanao ankaso,
naniditsidina sy nisompirana,
nitady vahatra... mba hamikirana,
rehefa ela ny ela, nialana nenina,
nivezivezy sy nipenipenina,
dia mody tsy taitra , nanao be marenina,
ka nanantona an'ireto mpanao sarin'ady,
izay mankafy efa toy ny mpivady,
dia io ilay tantely fa niady tsy hiady
mody tsy taitra sy nanao rolady,
mody nipetraka tamin'ilay gony,
teo anefa tsy tiany fa nanorisory,
izay efa ratsy sy natao kidoro,
ka lasa izy niakatra ambonimbony,
tao ambadik'ilay hazo nisy nikorofoka,
ka taitra izy roa, izay nihosom-bovoka,
nitsambikina avy any ary ingahy tantely,
io dia nanindrona sady namely,
taitra i KETAKA sy nikoropaka,
namelaka mafy sy nandefa "savate",
taitra RALAY ka tsy nahatsindry fo,
mba saika hamono sy hamaly ihany koa,
kanjo niahotra sy nihararetra,
nahita alika ka nipararetra,
nanantona mainty ilay alika masiaka,
io fa natahotra sy nipitrapitra,
ny akanjo amin'io tsy mbola eny an-koditra,
veloma i KETAKA fa ento ahy ray tongotro,
dia i KETAKA irery no teo amin'izay,
nanaiki-molotra sy niseho nilay,
kanjo niantso i DADATOA,
hanaovy ny akanjo ipitsiho ihany koa,
asio "COMMENTAIRE" ho an'izay te hiteny,
fa tiako sy mamiko toy ny TANTELY.
ho vakiako foana, sy ataoko tsianjery,
tsy ambaran-tsika amin'ny ray aman-dreny.
izay ilay tantara somary "salé"
ka ialako tsiny amin'ny daholobe,
raha tianareo dia mba asio "J'AIME"
f'ianareo tiko daholo. JE T'AIME, JE T'AIME
ANDRIAMASIMANANA ANDRY
Mombamomba
Mpanoratra : ANDRIAMASIMANANA Andry
Nampiditra : andry 1000
Daty : 15/10/2018
Mpamangy : 806
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
OMBY SY RALAYHANDAO ANAO AHO VETIVETY.
TOAKA SY NY FITIAVANA
VONINKAZO DIA SA VONINKAZO ADALA?
ILAY BOKY MAHAGAGA
I KETAKA SY RALAY ("AVENTURE")
NIOVA NY FIAINAKO
FIKAFIKANY BE PÔLITIKA
TARAIKY ALINA TARA "BUS"
ANY AMINAO NY ERITRERITRO