VONINKAZO DIA SA VONINKAZO ADALA? - ANDRIAMASIMANANA Andry
Azo vakiana?
safidy an-kiroa, safidy manadala,
ilay voninkazo dia, sa ilay voninkazo adala,
fa samy tiako mantsy, izy roa ireo,
samy tsisy foiko, antsoiko hoe : malala,
ny fofon'izy ireo, manintona tokoa,
ary ny hankatony miavaka ihany koa,
ka voninkazo dia va re ?
sa ilay voninkazo adala e!?
ilay voninkazo dia, tsy azoko fihinina,
fa manindrona mandratra, ireto tsilotsilony!!!!
f'ilay voninkazo adala; tsy azo sakambinina,
fa tena anaty tevana, ka tena mahazendana,
f'iny izaho raha haka, ilay voninkazo dia,
dia hitako nanjombona , ilay voninkazo adala,
dia nihemotra ny tanako, nangovitra ny vatako,
f'iny izaho raha haka, ilay voninkazo adala,
dia hitako nilofika, sy nalazolazo,
hitako narary sy very sanatria, ilay voninkazo dia,
kanefa izy roa, tsy azoko ampiarahina anaty vazy iray,
na zaridaina iray,
fa mety ho samy ho potika, samy ho rotidrotika,
ka voninkazo dia ve, sa ve voninkazo adaladala?
fa samy tiako ireo, antsoiko hoe : malala!!!!!
ANDRIAMASIMANANA ANDRY
Mombamomba
Mpanoratra : ANDRIAMASIMANANA Andry
Nampiditra : andry 1000
Daty : 15/10/2018
Mpamangy : 905
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
OMBY SY RALAYHANDAO ANAO AHO VETIVETY.
TOAKA SY NY FITIAVANA
ILAY BOKY MAHAGAGA
I KETAKA SY RALAY ("AVENTURE") TOHINY
I KETAKA SY RALAY ("AVENTURE")
NIOVA NY FIAINAKO
FIKAFIKANY BE PÔLITIKA
TARAIKY ALINA TARA "BUS"
ANY AMINAO NY ERITRERITRO