I KETAKA SY RALAY ("AVENTURE") (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nifoha vao maraina ilay akamanay,
andeha ho any an'ala hono hitsipo-kitay,
dia nitondra famaky sy fatin-gony,
anangonana ny azo, ho fitsinjovana ny ho avy,

dia niomankomana, nanao milay,
nijery fitaratra, toa niolomay,

dia variana ny tao an-tanana,
sady nivolana hoe : 'ty ve sanana,
haka kitay ve dia hihogo volo,
ajanona hatramin'ity tongobolo,

tsy namaly ilehio fa lasa nivoaka,
nanao tari-dositra lasa nitsoaka,
saika loza ry lahy raha tsy nahay,
hay rafotsy, ka efa nifoha tao indray,

fa tao atsimo dia toy izany koa,
io i RAKETAKA f'efa nifoha,
mody nanoroka an'i DADATOA,

ka io sady faly sy maty lolo,
sady nitsiky no nisafo volo

dia indro fa rafitra sy nanontany,
f'andeha ho aiza izany vadiko izany,
namaly RAKETAKA sady nitsiky,
handeha hantsaka ny ranontsika,

k'andao izatsy izy ry vadiko izany,
kanefa aza mijanona ela loatra any,
eny antsampanana ianao re mandeha,
dia tongava malaky mba manao kafe,

dia iny fa lasa nijaikojaiko,
ary efa ohatrany nahazo baiko
ka nivily nanaraka izato sampanana,
nitandrina mafy fa nalama ny lalana,

dia indro fa nihaona tamin'i RALAY,
io ilay nilaza fa hikapa kitay,
dia nifanoroka sy nisakoroka,
k'ireo fa faly sy safononoka,

tsy ho tantaraiko ilay "action"
f'ireo dia nandady, nanao "commando"
tsy ho tantaraiko izay niafarany,
fa aleo isika rehetra no samy haminany,

aleo ary aloha za mba hisento kely e,
fa izy ireo mbola manao vola-tantely
k'aleo mihaino ilay feon'angely,
fa izaho koa eto tsy mba te hijery,

tiako tohizana sady faranana,
fa mbola lavitra be zareo izany lalana,
kanefa i (MANITRA i HAINGO) ny sisa hiteny hoe :
TOHIZO IHANY RE RY ANDRY MAHERY.

MBOLA HITOHY......

ANDRIMASIMANANA ANDRY
--------
Rohy:
969 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103