ANKIZIN'ISE! (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanto sady tsara,ny ankizin'ise!
Soa ihany aho,fa efa mivavaka be
Fa ifonako raha sanatria...
Indray andro aho ho latsa-pitia

Rehefa alahady,hivoaka ny trano
Araho maso mihitsy,ary tazatazano
Fa izaho dia mivavaka be
Sao ho lasako,ny ankizin'ise!

Tsy tantiko mantsy raha fahadisoako
Ise! Dia ho feno toloko
Fa lasako hono ny ankizin'ise!
Nefa izaho dia mivavaka be

Ialako tsiny raha toa fahotana
Ifonako mihitsy raha toa ka tamana
Sanatria hoe nadalaiko ny ankizin'ise!
Fa izaho aza efa mivavaka be

Kanto sady tsara ny ankizin'ise!
Sady malaza fa,be fitiavana be
Fa ifonako raha sanatria...
Indray andro aho latsa-pitia

Ny ankizin'ise! moa dia tena bikana
Ka ifonako raha fahotana
Ialako tsiny raha toa fahadisoako
Fa ny ankizin'ise! toa lasa tsy foiko

Andry kanto Mendrika
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
19 0
Hevitra mandeha
AKMKT ( 19/11/2024 16:03)
Hoy ny tenako mamaritra
"Ny literatiora dia nateraky ny olona iray vokatrin'ny antson'ny fanahy izay nomen'ilay nahary azy."
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 19/11/2024 15:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0664