ILAY ANDRO (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay andro nitoerana
Toa rakotra ny tany
Ilay andro tsy noferana
Nampirotsaka tomany

Ilay andro natenaina
Hiarahana aminao
Saingy nialà ny aina
Na dia mbola tia anao


Eny an’abakabaka eny!
Ianao tsy afaka ny ho eny
Mitazatazana etÿ
Mahatsiaro ilay fitia

Angamba tsy ho sanatria
Fa efa rava ilay fitia
Ilay andro nitoerana
Tsy azoko noferana


Na dia tsy sitrako arÿ
Fa misopatra ny tany
Tsy maintsy andao ny voary
Raha izay no lahatry ny tany



Ilay kanto mahafinaritra
Ilay fara-vodilanitra
Hiova ho tontolon’ny fanahy
Hatory ambony rangolahy


Nitamberina indray
Ilay ditra fahizay
Efa nialako itony tany itony
Tsy mety raha hiverina intsony

Efa tontolo vaovao
Ny tontoloko izao
Fa ilay andro nitoerana
Tsy azoko noferana
--------
Lien:
Catégorie : Embona
538 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ANDRY KANTO MENDRIKA
Inséré par : AKMKT
Date : 06/01/2024 11:58
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122