HITOLONA (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha hitolona aho
Fa ny zava-misy izao
Ny Sinoa sy ny Karana
No tompom-pahefana

Trano lehibe
Izao tazàna izao
Fa eny amoron'arabe
Ny Gasy toa anao

Andeha hitolona aho
Fa raha tsy izany no atao
Dia ny Sinoa sy ny Karana
No hitondra fanjakana

Ny tanindrazanao
Lasany amin'izao
Harena norabainy
Kolon-tsaina nosimbainy

Ny olana mianjady
Amin'ny Gasy toa anao
Isan'andro dia miady
Amin'izao vahiny izao

Ny Gasy tompon-tany
No Roahina hiala
Fanjanahana izany
Satria,nandroso Gasikara
--------
Rohy:
7 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 14/05/2026 12:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116