HAFATRA (ANDRY KANTO MENDRIKA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala ah!Nandao ianao nandao
Nanao ny tsy fanao
Hanadino ny fitiavako ihany koa
Hikosoka ny tantaram-piainantsikaroa
Tsarovy!
Hahita ianao hahita
Hanadino ny efa vita
Hitia azy ianao kanefa
Tia ianao fa diso fiantefa
Tadidio!
Hitia ianao hitia
Haratra ianao satria
Ny ratra tsy sitram-panafody
Tsy maintsy misy tody
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina - Fitiavana
