ANDROM-PAHANTERANA - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
ANDROM-PAHANTERANA
Mandroso ny andro,
Ny volana, ny taona ;
Toa ny masoandro,
Miatrana eo anoloana.
Ilay hoditra nalefaka,
Fony iny mbola zaza ;
Efa miketrona milepaka,
Hoy ireo izay be filaza.
Ilay tongotra mailaka,
Mpanao dia an-katoka ;
Manana olana mandàka,
Mihisatra, mitsatoka.
Ilay tanana havanana,
Amin'izay rehetra atao ;
Lasa votsa tsy namana,
Isan'andro vaky izao.
Ilay saina naranitra,
Naharesy solosaina ;
Lasa tena very hanitra,
Tsy misy ny antenaina.
Ilay maso roa nahiratra,
Afaka nijery nahita tsara ;
Mila tsy mety mihiratra,
Tsy mahita ny maramara.
Ilay avokavoka nisefoana,
Namelombelona ny aina,
Lasa sepotsepotra foana,
Mahaverivery ny saina.
Ilay fo afa - niatrika,
Ny fisedrana namaivay ;
Manahy ny mifanatrika,
Amin'ny zava-mamay.
Izay raha bangoina fohy,
Ny androm-pahanterana ;
Izay mbola mety hitohy,
Ny amboniny tsy ferana.
Ka tokony hanararaotra,
Ny androm-pahatanorana,
Fa tsy lany andro loatra,
Variana manao adalana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Janoary 2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 23/01/2020
Mpamangy : 714
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
HOY IANAOMILA TONGA SAINA
MANINONA HOY AHO
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
NY RAY SY NY RENY
HIHIRA AHO HO ANAO