FITOPOLO TAONA NA VALOPOLO TAONA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
Nantsain'i s19andry5851
Audio Player
Nantsain'i s19andry5851
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitopolo taona na valopolo taona,no niezahana nanao ny kely mety ho vita,
alohan'ny hiampita ;
any amin'ny lalana handehanan'ny rehetra,
rehefa tonga ny fetra.
Fitopolo taona na valopolo taona,
no natopatopan'ny onjan-dranomasina,
vao nahita hasina.
Niezahana nampivoatra ny fiainan'isanandro,
na alina na antoandro.
Fitopolo taona na valopolo taona,
nihazakazahana namita ireo adidy,
tena sarobidy ;
nizarana ny fahaizana sy ny traikefa nanavanana,
ho an'ny tsy nanana.
Fitopolo taona na valopolo taona,
mirimorimo tsy ankijanona izany fotoana izany,
mahalasa vinany.
Araraotina hatrany ny fanaovan-javatsoa,
mahatretrika tokoa.
Fitopolo taona na valopolo taona,
raha mateza no voarakitry ny baiboly,
teny mahangoly ;
tsy maintsy atrehin'ny rehetra anefa izany,
raha mbola eto an-tany.
Fitopolo taona na valopolo taona,
no niomanana hiatrika ny Ray Tsitoha ;
tsy manam-paharoa.
Ka na vato mandondona, na hazo amoron-tevana,
mila ny Tompo ho tetezana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
09 Jolay 2023
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hevitra mandeha

s19andry5851
(
09/07/2023 12:08)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry TianaNampiditra : s19andry5851
Daty : 09/07/2023 11:32

Antsantononkalo
Nantsain'i s19andry5851
Audio Player
Nantsain'i s19andry5851
Audio Player