HOY IANAO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOY IANAOHoy ianao, tsy mba taitra,
Raha mangina aho misaina;
Amin'ny feonao manaitra,
Tohina aho, tsy mitaraina.
Hoy ianao, vao maraina,
Tsy mba henoko akory;
Ny ferinao nanaintaina,
Izaho nidaboka, natory.
Hoy ianao : “tsy mijery!”
Adinoko ny tokony hatao.
‘Zato teny toa manery:
Valin-teny izao dia izao.
Hoy ianao, manome tsiny,
“Ny fihetsikao diso hatrany!”
Manonjanonja anaty siny,
Izaho mitopa anaty akany.
Olon-droa tsy hary hitovy,
Nobeazina, samy azy ny azy;
Saingy niezaka hampitovy,
Tsy hisy intsony ny adiady.
Ity tsy ialan-kasokasoka;
Iroa tsy ialan-dromborombo;
Izay miforitra no mila pasoka,
Ny fitiavana ezahin-kitombo.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Febroary 2021
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/andry-tiana/hoy-ianao
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry TianaNampiditra : s19andry5851
Daty : 23/02/2021 12:32
