DADABE SY NENIBE (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DADABE SY NENIBE

Tena tsaroana ankehitriny,
Mitamberina ao an-tsaina,
Ohatra ny omaly ny fahiny,
Ny raibe sy renibe, lalaina.

Dadabe sy Nenibe nitampify;
Eny anelanelany eny,
Nanao ho misy ny tsy misy,
Ny fisotroan-dronono kely.

Dadabe sy Nenibe, misaotra,
Tsy nanadino ireo zafy;
Ny fitiavanareo tafahoatra,
Niezaka tsy nampihafy.

Ny raibe sy renibe, lazaina;
Tia ny zafy noho ny zanany.
Mby miverina ary tantaraina;
Nozarainy ny kely nananany.

Tsy ho hadino mihitsy akory,
Ire fotoana lava niarahana,
Tamin-kafaliana, na sorisory,
Hatramin'ny ora nisarahana.

Tsy lasa lavitra izy ireo akory,
Fa ao ambany rangolahy ihany;
Tsy mifoha intsony fa matory,
Ny fanahiny an’habakabaka any.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Martsa 2021
--------
Rohy:
969 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:23)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1257