You are here: home > Vetso

ILAY MBA FAHAIZANA KELY - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

ILAY MBA FAHAIZANA KELY

Ilay  mba  fahaizana   kely,
Tsy hita atao hoe mankaiza ;
Tsy ahatonga ny ho modely,
Na handeha na aiza na aiza.

Ilay fahalalana  tena bitika,
Tsy ampy hampitraka akory ;
Fa tsipindina dia  mipitika,
Tena resy midaboka matory.

Ireo zavatra kely mba hay,
Tsy hita hoe misongadina ;
Ohatra   ny   fatana   kitay,
Mety ekena, mety ho lavina.

Na be aza anefa ny fantatra,
Mahatsapa  tsy ampy ihany ;
Mbola maro ny ankamantatra,
Raha mbola tany koa ny tany.

Arakaraka ny hoe  ahalalana,
Raha dinihina, ary koa jerena ;
No  ... ahatsapana   mazàna,
Fa hay kely sy bitika ny tena.

Ny fiainana tokoa fianarana,
Ahafahana miatrika fiainana ;
Mila  toavina ny  fananarana,
Izay rehetra iainana isainana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Martsa 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha