HO FIRENENA SANGANY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
HO FIRENENA SANGANY
Raha te hivoatra eo amin'ny fiainana ;
Mila miova tanteraka ny foto-pisainana.
Miezaka miala amin'ny mangata-dava ;
Vao maraina miasa ny zavona hisava.
Ilaozana ny fihetsika mampandry adrisa,
Mandoka tena foana anefa mampikorisa.
Fiaraha-mientana hivoatra no tena ilaina ;
Tsy hampanantena lava no foto-pisaina.
Beazina ny rehetra hanan-tsaina miabo ;
Hijoro, hitraka tsy handohalika toa babo.
Ialà€na izay rehetra heverina ho tarazo,
Ny fisainan-dresy lava tsy avela hahazo.
Ezahina hatsaraina ny sehi-panabeazana,
Hifanandrify amin'ny filan'ny tanindrazana ;
Hiatrehina mavitrika ny tokony hirosoana,
Hitondra hery vao ho an'ny fampandrosoana.
Ny tomponandraikitra isan'ambaratonga,
Mba tena hifofotra tsy hanao somonga.
Handinika lalina izay hivoaran'ny Nosy ;
Tsy lany andro mangataka toa androrosy.
Trandrahana ara-drariny ny mety ho harena ;
Fampandrosoana isam-paritra tena ekena.
Tsy misy atao antsisim-bala ny Malagasy ;
Samy tompon-tany, tsisy avela hangasihasy.
Manomboka izao ny hany atao an-tsaina,
Madagasikara mandroso no volavolaina.
Miara-miezaka, mifofotra ahazoany laka,
Ho lasa Firenena sangany sy tompon-daka.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Septambra 2022
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 19/09/2022
Mpamangy : 389
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
MIBANJINA NY HO AVYLALAN-TSAROTRY NY FIAINANA
INY TSIKINAO INY
HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY
SAINTSAINO KELY FA ...
NANKAIZA HONO NY OLON-TETY
FITOPOLO TAONA ANDROANY
ZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO