MILA TONGA SAINA! - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
MILA TONGA SAINA!
Hono hoy aho, ry vahoaka Malagasy;
Maro amintsika no tsy mbola tonga saina,
Mora arebireby, avy eo mangasihasy,
Rehefa avy nobadoina, sy nampiasaina.
Ny firenena malagasy, tsy rotiky ny ady;
Mahantra foana anefa, ary zary mandry fotsy.
Ireo nantenaina, lany andro miadiady.
Ny ankamaroantsika efa lasa androrosy.
Ilaina hobeazina isika, mba hahay hamakafaka,
Hanavaka ny vary amin'ireo tsimparifary.
Ka tsy ho hampiesonin'ireo tompon daka;
Hanantena lava, eo am-piandrasana marary.
Tsotra, hono, raha te hamotika firenena iray;
Alentika ny fanabeazany sy ny soatoaviny.
Amin'izay samy bado, lasa toy ny bemiray.
Ry zareo, avy eo, manjaka amin'ny hoaviny.
Ny fanabeazana ihany izany no fanalahidy,
Hivoahana amin'ny zava-misy rehetra izao.
Ianao manana talenta, efao re ny adidy,
Tsy hangataka andro lava, mijoroa ianao.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
20 Febroary 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 20/02/2021
Mpamangy : 918
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
FITOPOLO TAONA ANDROANYZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO
MANINONA HOY AHO?
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY