NANKAIZA IANAO RY TSIKIKO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Toa nandao izany tavako.
Mandrahondrahona ny andro,
Anefa mibaliaka ny masoandro.

Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Fa ravarava izany endriko ;
Mamolivoly any anaty any,
Manaintaina mampitomany.

Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Manetsetra izany vatako ;
Malailay koa ny maso,
Mampilatsa-dranomaso.

Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Tazaniko fa tsy tazako ;
Niankandrefana sa nianavaratra ?
Tavela anaty oram-baratra ?

Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Nandeha tsy niera tamiko ;
Nianatsimo sa niantsinanana ?
Nindramin’ireo tsy nanana ?

Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Nokarohiko fa tsy hitako ;
Hay tsy lasa lavitra any,
Fa anaty vatako ao ihany.

Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Miha miramirana ny endriko,
Fa iny tazako manangasanga,
Toa maka endri-boromanga.

Nankaiza ianao ry tsikiko ?
Raha tonga ianao ho fifaliako,
Mila mailo hatrany hatrany,
Fa ny fiainana eto an-tany,
Misy ny mangidy, misy mamy.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
15 Janoary 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
291 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234