NY FIAINANA ETO AN-TANY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
NY FIAINANA ETO AN-TANY
Ny fiainana eto an-tany,
Iaraha-mahita, mahalala;
Ny ambony lasa ambany,
Mifankatia, mifankahala.
Ny fiainana eto an-tany,
Fanantenana, hakiviana;
Mahafaly, mampitomany,
Hehy, ranomaso mikoriana.
Ny fiainana eto an-tany,
Mahatezitra, mampitony;
Mila fandinihina hatrany,
Ny ambany, lasa ambony.
Ny fiainana eto an-tany,
Raha dinihina, jerena;
Tsy maha mpaminany,
Tampoka dia mahasorena.
Ny fiainana eto an-tany,
Lazaina, ambara etoana;
Tanin-tsiky, tanin-tomany,
Manempotra, hisefoana.
Ny fiainana eto an-tany,
Fiainan-tokana, miavaka;
Aleo mifankatia hatrany,
Tsy tokony hifanavakavaka.
Ny fiainana eto an-tany,
Tsy fiainana an-jato taona;
Tsy maintsy mody ihany,
Rehefa tonga ny fotoana.
Ny fiainana eto an-tany,
Fiainam-pandalovana;
Miserana, mandalo ihany,
Ny hiafarany: fahalovana.
Ny fiainana eto an-tany,
Fiainana mila ny Tompo;
Mba ho tretrika hatrany,
Sady faly no manompo.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 Novambra 2019
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 04/11/2019
Mpamangy : 836
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
FITOPOLO TAONA ANDROANYZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO
MILA TONGA SAINA!
MANINONA HOY AHO?
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA