ZOKY SY ZANDRY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
ZOKY SY ZANDRY
Tsaroana eto ianao ry zoky;
Tsaroana koa ianao ry zandry.
Iray tampo nifampatoky,
Niara-tsy tafandry mandry.
Ampolo taona no niarahana,
Teo anivon'ny ray aman-dreny.
Fifankatiavana no nibahana;
Tsy hohadino mihitsy ireny.
Niara-nihafy taona maro;
Lavi-dray aman-dreny.
Niara-niezaka tagnamaro;
Nifankahery, nifampiteny.
Niara-nianatra, niari-tory;
Niara-nifoha ny maraina.
Niara-niatrika ny sorisory!
Niara-niezaka tsy nitaraina.
Noho ny Tompo samy tafita,
Samy manana ny toerany avy.
Azo lazaina samy nahavita;
Voninahitry ny mpianakavy.
Ankehitriny efa nisy lasa,
Any amin'ny varo-tsy mifody.
Na dia maro ireo kinasa,
Lany ireo vato natora-pody.
Sambatra ny mpiray tampo,
Mifampijery, mifanohana.
Samy manana hambom-po,
Ary lavitra ny fifandonana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry
26 Martsa 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 26/03/2021
Mpamangy : 581
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
FITOPOLO TAONA ANDROANYDADABE SY NENIBE
HOY IANAO
MILA TONGA SAINA!
MANINONA HOY AHO?
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY