You are here: home > Vetso

TIA ANAY IANAO JESOA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

TIA ANAY IANAO JESOA

Tia anay  ianao ry Tompo,
Ilay  zoky  be  nitantana ;
Satria noho ny fitiavanao,
No  naha  toy izao  anay.
Na maro aza ny fandrika,
Na  be  koa  ny  sakana,
Raha eo ambany elatrao,
Voaro foana  mandrakizay.

Tia anay ianao ry Tompo,
Ilay  zoky  be izay  niaro.
Fa ny fahasoavanao tokoa,
Tamin'ny  rehetra  naleha ,
Na teo  aza ny  hakiviana,
Na  ireo  zava-nifangaro,
Niova ireny ho zava-tsoa,
Ka lasa indray ho rehareha.

Tia anay  ianao ry Tompo,
Ilay  zoky  be tsy nahafoy.
Nandefa  ireo   anjelinao,
Nitantana  sy  nivimbina,
Nanoro ny lalana izorana,
Nanova ny manta ho matoy,
Nampety ny rehetra natao,
Ary tena niahy sy nitsimbina.

Tia  anay  ianao  ry  Tompo,
Tamin'ny androm-piainanay.
Nampianatra anay hiezaka,
Hanana  fiainana  mirindra,
Sy  fahatokisana   hatrany,
Ary  ny  tsy  hanadinoanay,  
Fa  tsy  tsara  ny  mifezaka,
Ka  mankasitraka  indrindra.

RASAMINNDRAKOTROKA
Andry Tiana
28 Jolay 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha